Revelation 17:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tandroka folo sy ny bibidia izay hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hanao azy ho tsinontsinona sy hampitanjaka azy, hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tandroka folo efa hitanao tamin’ilay Biby kosa, no hankahala an-dRavehivavy janga, ka hampijaly sy hampitanjaka azy, ary hihinana ny nofony sy handevona azy amin’ny afo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tandroka folo sy ny biby efa hitanao kosa no hankahala ilay vehivavy janga, ka hahatonga azy hanirery sy hampitanjaka azy ary hihinana ny nofony sy handevona ny tenany amin’ny afo.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka ary sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin'ny afo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tandroka folo sy ny bibidia izay hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hanao azy ho tsinontsinona sy hampitanjaka azy, hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo.
malagasy
Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka ary sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin'ny afo.