Revelation 17:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noentiny tamin’ny Fanahy ho any an-tany efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibidia mivolon-jaky, feno anarana miteny ratsy sady nanana loha fito sy tandroka folo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nentiny am-panahy nankany an’efitra aho, ka inty Vehivavy nitaingina Biby mivolon-jaky, feno anarana fanevatevana an’Andriamanitra, fito loha sy folo tandroka, no hitako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nahazo tsindrimandry avy amin’ny Fanahy Masina aho ka nentin’ny anjely ho any an-taniefitra, ary nahita vehivavy mitaingina biby. Mivolon-jaky ilay biby, rakotra anarana manevateva an’Andriamanitra ny tenany, sady nanana loha fito sy tandroka folo.
Malagasy Bible 1865
Dia nentiny tamin'ny Fanahy ho any an'efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noentiny tamin’ny Fanahy ho any an-tany efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibidia mivolon-jaky, feno anarana miteny ratsy sady nanana loha fito sy tandroka* folo.
malagasy
Dia nentiny tamin'ny Fanahy ho any an'efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo.