Revelation 17:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny bibidia, ilay hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao. Hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka lasa ho any amin’ny fandringanana. Ary ny monina ambonin’ny tany, dia izay tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho gaga raha mijery ilay bibidia izay teo ihany ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny Biby, ilay efa hitanao, dia teo ihany, ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka hankany amin’ny fahaverezana. Ho gaga ny mponina etỳ an-tany, izay tsy mba voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainana hatramin’ny nanorenana an’izao tontolo izao amin’ny fahitana ity Biby, noho izy teo ihany, ary tsy eo intsony, nefa mbola ho avy indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny biby izay hitanao dia nanan-kery taloha, fa tsy manana intsony izao, ary efa hiakatra avy any amin’ny hantsambe mba hizotra ho amin’ny fandringanana. Dia ho gaga ny mponina ambonin’ny tany raha mahita ilay biby: satria nanan-kery izy io taloha, fa tsy manana intsony izao, nefa mbola hanan-kery indray. Ho gaga ny mponina ambonin’ny tany, izany hoe ny olona tsy voasoratra anarana ao amin’ny horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay; io horonamboky io dia nisy hatramin’ny fiandohan’izao tontolo izao.
Malagasy Bible 1865
Ny bibi-dia, ilay efa hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin'ny fandringanana; ary ny monina ambonin'ny tany, dia izay tsy voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainana hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho gaga raha mijery ilay bibi-dia, izay teo ihany ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny bibidia, ilay hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao. Hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka lasa ho any amin’ny fandringanana. Ary ny monina ambonin’ny tany, dia izay tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho gaga raha mijery ilay bibidia izay teo ihany ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray.
malagasy