Revelation 18:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hijanona eny lavitra eny izy ireny noho ny fahatahorana ny fanaintainana manjo azy ka hiteny hoe: Indrisy! Indrisy! Ilay tanàna lehibe! Ry Babilona, tanàna mafy! Fa tamin’ny ora iray monja dia tonga ny fitsarana anao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hijanona eny lavitra eny izy ireo, fa tsiravina noho ny fijaliany, ka hanao hoe: «Loza ity! loza ity! ry Babilôna lehibe, ry tanàna mafy, fa ora iray monja, dia tonga ny fanamelohana anao!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hijanona eny lavitra eny izy ireo, satria raiki-tahotra noho ny fanaintainana mianjady amin’i Babilôna, ka hanao hoe: «Indrisy! Indrisy! Ry Babilôna, tanàna lehibe, tanàna matanjaka! Satria tanaty adiny iray monja dia niharan’ny sazy ianao!»
Malagasy Bible 1865
eny, hijanona eny lavitra eny izy noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Babylona, izay tanàna lehibe! ry ilay tanàna mafy! fa tamin'ny ora izay monja dia tonga ny fitsarana anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hijanona eny lavitra eny izy ireny noho ny fahatahorana ny fanaintainana manjo azy ka hiteny hoe: Indrisy! Indrisy! Ilay tanàna lehibe! Ry Babilona, tanàna mafy! Fa tamin’ny ora iray monja dia tonga ny fitsarana anao!
malagasy