Revelation 18:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny mpivaro-mandeha izay tonga mpanankarena tamin’izany dia hijanona eny lavitra eny noho ny fahatahorana ny fanaintainana manjo azy ka hitomany sy hisaona
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpivarotra ireny zavatra rehetra ireny, izay nahazo harena taminy, dia hijanona eny lavitra eny, fa tsiravina noho ny fijaliany, ka hitomany sy hiferin’aina hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpandranto, izay nahazo harena tamin’i Babilôna noho ireny entana ireny, dia hijanona eny lavitra eny, satria raiki-tahotra noho ny fanaintainana mianjady amin’i Babilôna ka hitomany sy hisaona
Malagasy Bible 1865
Ny mpandranto izany zavatra izany, izay efa tonga mpanankarena taminy, dia hijanona eny lavitra eny noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hitomany sy hisaona
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny mpivaro-mandeha izay tonga mpanankarena tamin’izany dia hijanona eny lavitra eny noho ny fahatahorana ny fanaintainana manjo azy ka hitomany sy hisaona
malagasy
Ny mpandranto izany zavatra izany, izay efa tonga mpanankarena taminy, dia hijanona eny lavitra eny noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hitomany sy hisaona