Revelation 18:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanipy vovoka hiraraka tamin’ny lohany izy dia niantsoantso sady nitomany sy nisaona ka niteny hoe: Indrisy! Indrisy! Ilay tanàna lehibe izay nampanankarena izay rehetra manan-tsambo eny amin’ny ranomasina noho ny zava-tsarobidy tao aminy! Fa tamin’ny ora iray monja no nahafoana izany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sady nanisy vovoka ny lohany izy ireo no nitomany sy nigogogogo, nanao hoe: «Loza ity! loza ity! fa ilay tanàna lehibe, nampanan-karena ny nanan-tsambo rehetra teny amin’ny ranomasina noho ny zava-tsarobidy tao aminy lahy, ka levona ora iray monja!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanipy vovoka hiraraka tamin’ny lohany izy ireo sady nitomany sy nisaona ka niantsoantso hoe: «Indrisy! Indrisy! Ry tanàna lehibe, izay rakotra zava-tsarobidy ka nampahazo harena ny olona rehetra manana sambo eny an-dranomasina! Satria tanaty adiny iray monja dia foana ianao!»
Malagasy Bible 1865
Ary nanopy vovoka hiraraka tamin'ny lohany izy, dia niantso sady nitomany sy nisaona ka nanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nampanan-karena izay rehetra manan-tsambo eny amin'ny ranomasina noho ny zava-tsaro-bidy tao aminy; fa tamin'ny ora iray monja no nahafoana izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanipy vovoka hiraraka tamin’ny lohany izy dia niantsoantso sady nitomany sy nisaona ka niteny hoe: Indrisy! Indrisy! Ilay tanàna lehibe izay nampanankarena izay rehetra manan-tsambo eny amin’ny ranomasina noho ny zava-tsarobidy tao aminy! Fa tamin’ny ora iray monja no nahafoana izany!
malagasy