Revelation 18:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny feon’ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka mozika sy ny mpitsoka sodina ary ny mpitsoka trompetra dia tsy ho re eo aminao intsony. Ary ny mpahay taozavatra rehetra, na inona na inona sokajiny, dia tsy ho hita eo aminao intsony; ary ny feon’ny vato fikosoham-bary dia tsy ho re eo aminao intsony;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tsy ho re ao aminao intsony ny feon’ny mpitendry harpa, sy ny mpitsoka mozika, mbamin’ny mpitsoka sodina sy trômpetra. Ny mpanao taozavatra rehetra tsy ho hita eo aminao intsony, ary ny feon’ny vato fikosohan-dafarina tsy ho re ao intsony koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia tsy ho re ao aminao intsony ny mozika fanaon’ny mpitendry lokanga sy ny mpihira ary ny mpitsoka sodina sy ny mpitsoka trompetra; tsy ho hita ao aminao intsony ny mpiasa rehetra amin’ny taozavatra isan-karazany; tsy ho re ao aminao intsony ny feon’ny vato fikoseham-bary.
Malagasy Bible 1865
Ary ny feon'ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka mozika sy ny mpitsoka sodina ary ny mpitsoka trompetra dia tsy ho re eo aminao intsony; ary ny mpiasa rehetra mahay zavatra na inona na inona tsy ho hita eo aminao intsony; ary ny feon'ny vato fikosoham-bary tsy ho re eo aminao intsony;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny feon’ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka mozika sy ny mpitsoka sodina ary ny mpitsoka trompetra dia tsy ho re eo aminao intsony. Ary ny mpahay taozavatra rehetra, na inona na inona sokajiny, dia tsy ho hita eo aminao intsony; ary ny feon’ny vato fikosoham-bary dia tsy ho re eo aminao intsony;
malagasy