Revelation 18:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary ny fahazavan’ny jiro dia tsy mba hahazava eo aminao intsony; ary ny feon’ny mpampakatra sy ny ampakarina dia tsy ho re eo aminao intsony satria ny mpivaro-mandeha teo aminao no lehiben’ny tany ary ny ody ratsinao no noentinao namitaka ny firenena rehetra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fahazavan’ny jiro tsy hamirapiratra ao aminao intsony, ary ny feon’ny mpampakatra sy ampakarina tsy ho re ao aminao intsony; satria ny mpandrantonao dia lehiben’ny tany, ary ny ody fandrebirebenao no nampivily ny firenena rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy hamiratra ao aminao intsony ny fahazavan’ny jiro; tsy ho re ao aminao intsony ny feon’ny mpivady vao. Satria ny mpandrantonao no efa mpifehy ny tany, sady ny ody ratsinao no nentinao namitaka ny firenena rehetra.
Malagasy Bible 1865
ary ny fahazavan'ny jiro tsy mba hahazava eo aminao intsony; ary ny feon'ny mpampakatra sy ny ampakarina tsy ho re eo aminao intsony; fa lehiben'ny tany ny mpandrantonao; fa ny ody ratsinao no nentinao namitaka ny firenena rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary ny fahazavan’ny jiro dia tsy mba hahazava eo aminao intsony; ary ny feon’ny mpampakatra sy ny ampakarina dia tsy ho re eo aminao intsony satria ny mpivaro-mandeha teo aminao no lehiben’ny tany ary ny ody ratsinao no noentinao namitaka ny firenena rehetra;
malagasy
ary ny fahazavan'ny jiro tsy mba hahazava eo aminao intsony; ary ny feon'ny mpampakatra sy ny ampakarina tsy ho re eo aminao intsony; fa lehiben'ny tany ny mpandrantonao; fa ny ody ratsinao no nentinao namitaka ny firenena rehetra.Ary teo anatiny no nahitana ny ran'ny mpaminany sy ny olona masina sy itsy rehetra novonoina teny ambonin'ny tany.