Revelation 18:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpanjakan’ny tany izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin’ny fiainam-be, dia hiteha-tratra sy hitomany azy rehefa mahita ny setroky ny fandoroana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitomany azy sy higogogogo ny mpanjakan’ny tany, izay nijangajanga taminy, sy niara-niliba taminy tamin’ny fahafinaretan’ny nofo, rehefa mahita ny setroky ny fandoroana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpanjakan’ny tany, izay nijangajanga tamin’i Babilôna sy niara-niliba taminy dia hitomany azy sy handondòn-tratra hisaona azy, rehefa hahita ny setroka vokatry ny fandoroana azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjakan'ny tany, izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia hiteha-tratra sy hitomany ary, raha mahita ny setroky ny fandoroana azy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpanjakan’ny tany izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin’ny fiainam-be, dia hiteha-tratra sy hitomany azy rehefa mahita ny setroky ny fandoroana azy.
malagasy
Ary ny mpanjakan'ny tany, izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia hiteha-tratra sy hitomany ary, raha mahita ny setroky ny fandoroana azy;