Revelation 19:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niankohoka teo amin’ny tongony aho mba hivavaka taminy. Kanefa hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao! Fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ireo rahalahinao izay mitana ny fanambaràna an’i Jesosy. Andriamanitra ihany no ivavaho! Fa ny fanambaràna an’i Jesosy no fanahin’ny faminaniana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nidaboka tamin’ny tongony aho, mba hiankohoka aminy, nefa hoy izy tamiko: «Tandremo, aza manao izany, fa mpanompo namanao ihany koa aho, sy naman’ny havanao izay manana ny fanambaràn’i Jesoa. Andriamanitra no iankohofy. Fa mifanaraka ny fanambaràn’i Jesoa sy ny fanahin’ny faminaniana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niankohoka teo an-tongony aho mba hitsaoka azy, satria nilazany hoe: –Tandremo, aza manao izany! Fa mpanompo miaraka aminao aho sady miaraka amin’ireo namanao iray finoana, izay mitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona. Andriamanitra no tsaohy! Eny, ny Fanahy Masina Izay manentana hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra dia ahariharin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa.
Malagasy Bible 1865
Dia niankohoka teo amin'ny tongony aho mba hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo. aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an'i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an'i Jesosy no fanahin'ny faminaniana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niankohoka teo amin’ny tongony aho mba hivavaka taminy. Kanefa hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao! Fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ireo rahalahinao izay mitana ny fanambaràna an’i Jesosy. Andriamanitra ihany no ivavaho! Fa ny fanambaràna an’i Jesosy no fanahin’ny faminaniana.
malagasy