Revelation 19:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, koa indro, nisy soavaly fotsy. Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin’ny fahamarinana no itsarany sy iadiany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanaraka izany, dia indro hitako nisokatra ny lanitra, ary nisy soavaly fotsy niseho teo; Mahatoky sy Marina no anaran’ilay nitaingina azy, ary ara-drariny no itsaràny sy iadiany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nahita ny lanitra voasokatra aho, ka indro nisy soavaly fotsy niseho. Ilay mitaingina azy dia atao hoe Imahatoky sy Imahitsy. Ara-drariny no itsarany sy iadiany.
Malagasy Bible 1865
Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, koa indro, nisy soavaly fotsy. Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin’ny fahamarinana no itsarany sy iadiany.
malagasy
[Ny amin'ilay nitaingina soavaly fotsy sy ny miaramilany, izay naharesy ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka] Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany.