Revelation 19:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitako fa indro, nisy anjely iray koa nijoro teo amin’ny masoandro, ary niantso tamin’ny feo mahery izy ka niteny tamin’ny voromanidina rehetra teo afovoan’ny habakabaka hoe: Avia ka miangòna ho amin’ny fanasana lehibe ataon’Andriamanitra
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary indro hitako nisy Anjely anankiray nitsangana teo amin’ny masoandro, niantso ny voromanidina rehetra teo amin’ny habakabaky ny lanitra, ka nanao tamin’ny feo mahery hoe: «Avia, mivoria ianareo ho amin’ny fihinanam-ben’Andriamanitra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hitako nisy anjely anankiray nitsangana teo amin’ny masoandro. Niantso tamin’ny feo mahery io anjely io ka nanao tamin’ny voro-manidina rehetra teny ana habakabaka hoe: «Avia, mivoria ianareo ho amin’ny fanasana lehibe ataon’Andriamanitra ho anareo,
Malagasy Bible 1865
Ary hitako fa, indro, nisy anjely anankiray koa nitsangana teo amin'ny masoandro, ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao tamin'ny voro-manidina rehetra teo afovoan'ny habakabaka hoe: Avia, ka miangòna ho amin'ny fanasana lehiben'Andriamanitra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitako fa indro, nisy anjely iray koa nijoro teo amin’ny masoandro, ary niantso tamin’ny feo mahery izy ka niteny tamin’ny voromanidina rehetra teo afovoan’ny habakabaka hoe: Avia ka miangòna ho amin’ny fanasana lehibe ataon’Andriamanitra
malagasy