Revelation 19:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nosamborina ilay bibidia mbamin’ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay noentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibidia sady miankohoka eo anoloan’ny sariny. Natsipy velona ho any amin’ny farihy afo mirehitra solifara izy roa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Voasambotra ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, izay nanao fahagagana teo anatrehany mba hoentiny mamitaka ireo nandray ny mariky ny Biby sy nivavaka tamin’ny sariny, ka indray natsipy velona tany amin’ny farihy mirehitra afon-tsolifara;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia voasambotra ilay biby sy ilay mpaminany sandoka, izay nanao zava-mampitolagaga teo anatrehan’ilay biby mba hoenti-mamitaka ireo nandray ny mariky ny biby sy nivavaka tamin’ny sariny; ary natsipy velona ho any amin’ny farihy afo arehi-tsolifara ilay biby sy ilay mpaminany sandoka.
Malagasy Bible 1865
Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nosamborina ilay bibidia mbamin’ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay noentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibidia sady miankohoka eo anoloan’ny sariny. Natsipy velona ho any amin’ny farihy afo mirehitra solifara izy roa.
malagasy
Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa.Ary ny olona sisa dia matin'ny sabatra mivoaka avy amin'ny vavan'ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony.