Revelation 19:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny loholona efatra amby roapolo sy ny zavamananaina efatra dia niankohoka nivavaka tamin’Andriamanitra izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana ka niteny hoe: Amena! Haleloia!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany ny Anti-dahy efatra amby roapolo sy ny Zava-manana aina efatra dia niankohoka nitsaoka an’Andriamanitra, nanao hoe: «Amen! Aleloia!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay ny *loholona 24 sy ny zava-miaina efatra dia niankohoka nitsaoka an’Andriamanitra, Izay mipetraka eo ambonin’ilay sezafiandrianana, ka nanao hoe: « Amen! Haleloià!»
Malagasy Bible 1865
Ary ny loholona elatra amby roa-polo sy ny zava-manan'aina efatra dia niankohoka nivavaka tamin'Andriamanitra. Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, ka nanao hoe: Amena; Haleloia!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny loholona efatra amby roapolo sy ny zavamananaina efatra dia niankohoka nivavaka tamin’Andriamanitra izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana ka niteny hoe: Amena*! Haleloia!
malagasy
Ary ny loholona elatra amby roa-polo sy ny zava-manan'aina efatra dia niankohoka nivavaka tamin'Andriamanitra. Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, ka nanao hoe: Amena; Haleloia! [ Gr. presbytera]