Revelation 2:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Soraty ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Efesosy: Izao no lazain’Ilay mihazona ny kintana fito eny an-tanany havanana sady mandeha eo afovoan’ny fitoeran-jiro volamena fito:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manorata ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Efezy: Izao no lazain’Ilay mitana ny kintana fito eo an-tanany ankavanana, sy mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Efeso: «Izao no lazain’Ilay mihazona ny kintana fito eo an-tanany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ny fitoeranjiro volamena fito:
Malagasy Bible 1865
Soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Efesosy. Izao no lazain'ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Soraty ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Efesosy: Izao no lazain’Ilay mihazona ny kintana fito eny an-tanany havanana sady mandeha eo afovoan’ny fitoeran-jiro volamena fito:
malagasy
[Ny Epistily ho an'ny fiangonana fito tany Asia] [Efesosy] Soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Efesosy. Izao no lazain'ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito: [ Gr. eklesia]