Revelation 2:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza matahotra izay hiaretanao. Indro, ny devoly dia hanipy ny sasany aminareo ho ao an-tranomaizina mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza matahotra na inona na inona amin’izay efa hiaretanao. Indro, efa handatsaka ny sasany aminareo an-tranomaizina ny devoly, mba ho voazaha toetra ianareo, sy hiari-pahoriana hafoloana. Mahareta ambara-pahafaty, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza matahotra na inona na inona amin’izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra.
Malagasy Bible 1865
Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza matahotra izay hiaretanao. Indro, ny devoly* dia hanipy ny sasany aminareo ho ao an-tranomaizina mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana.
malagasy
Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana.