Revelation 2:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fantatro izay onenanao, dia ao amin’ny itoeran’ny sezafiandrianan’i Satana. Mitana mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ny andron’i Antipasy vavolombeloko aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’izay onenan’i Satana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fantatro ny itoeranao, dia eo amin’ny misy ny seza fiandrianan’i Satana; nefa mitana mafy ny Anarako ianao, ka tsy nandà ny finoana Ahy na dia tamin’ny andron’i Antipasy martiriko aza, izay lehilahy mahatoky Ahy sy novonoina teo aminareo, dia teo amin’izay onenan’i Satana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fantatro izay onenanao, dia ao amin’izay itoeran’ny sezafiandrianan’i Satàna. Mifikitra mafy amiko ianao ka tsy mandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ny andron’i Antipasy aza, izay vavolombeloko sady lehilahy mahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’ity toerana onenan’i Satàna ity.
Malagasy Bible 1865
Fantatro izay onenanao, dia ao amin'ny itoeran'ny seza fiandrianan'i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin'ny andron'i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin'izay onenan'i Satana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fantatro izay onenanao, dia ao amin’ny itoeran’ny sezafiandrianan’i Satana*. Mitana mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ny andron’i Antipasy vavolombeloko aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’izay onenan’i Satana.
malagasy
Fantatro izay onenanao, dia ao amin'ny itoeran'ny seza fiandrianan'i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin'ny andron'i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin'izay onenan'i Satana.