Revelation 2:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana rehetra! Izay mandresy dia havelako hihinana ny avy amin’ny hazon’aina izay eo amin’ny Paradisan’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy: «Izay mandresy, havelako hihinanany ny hazon’ny fiainana izay ao amin’ny paradisan’Andriamanitra»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana! «Izay maharesy dia havelako hihinana amin’ny voan’ilay hazo manome fiainana izay ao amin’ny sahan’Andriamanitra.» –Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Smirna:
Malagasy Bible 1865
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana rehetra! Izay mandresy dia havelako hihinana ny avy amin’ny hazon’aina izay eo amin’ny Paradisan’Andriamanitra.
malagasy
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra. [ Gr. eklesia]