Revelation 2:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao, nefa manankarena ianao, ary ny fitenenan-dratsy ataon’izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy fa sinagogan’i Satana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fantatro ny fahoriana amam-pahantranao, nefa manan-karena ianao; ary fantatro ny fitenenan-dratsin’ireo manao azy ho Jody, nefa tsy izy, fa sinagogan’i Satana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fantatro ny fahorianao sy ny fahantrànao, kanefa manankarena ianao. Fantatro ianao fa endrikendrehin’ireo milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsiizy fa olona mivavaka amin’i Satàna.
Malagasy Bible 1865
Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao, nefa manankarena ianao, ary ny fitenenan-dratsy ataon’izay milaza ny tenany ho Jiosy*, kanjo tsy izy fa sinagogan’i Satana.
malagasy
Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana. [ Gr. blasfemia; izahao Mat. 9, 3)