Revelation 20:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitako fa indro, nisy sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny. Ny tany sy ny lanitra dia nandositra Azy ka tsy nisy toerana ho azy intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany, indro hitako ity seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra, sy Ilay mipetraka eo amboniny; ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hitako ity sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny. Ny tany amana habakabaka dia nandositra teo anatrehany, ka tsy hita intsony izay toerana nisy azy.
Malagasy Bible 1865
Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitako fa indro, nisy sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny. Ny tany sy ny lanitra dia nandositra Azy ka tsy nisy toerana ho azy intsony.
malagasy
Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony.