Revelation 20:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nijoro teo anoloan’ny sezafiandrianana. Nisy boky maromaro novelarina; ary nisy boky iray hafa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany. Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra tao anatin’ny boky, araka ny asany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny maty rehetra koa, na kely na lehibe, hitako nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana. Dia nisy boky maro novelarina, ary nisy boky iray hafa koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ka notsaraina araka izay voasoratra tamin’ireo boky ireo, manaraka ny asany avy, ny maty rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hitako ny maty rehetra, na ny lehibe na ny kely, tafajoro teo anoloan’io sezafiandrianana io. Dia nisy horonamboky maro novelarina; ary nisy horonamboky iray hafa koa novelarina, dia ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay; ka tamin’ny zavatra voasoratra tao anatin’ireo horonamboky ireo no nitsarana ny maty rehetra, araka ny asany avy.
Malagasy Bible 1865
Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nijoro teo anoloan’ny sezafiandrianana. Nisy boky maromaro novelarina; ary nisy boky iray hafa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany. Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra tao anatin’ny boky, araka ny asany.
malagasy