Revelation 20:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanipy azy ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka nohidiny izany, dia nasiany tombo-kase teo amboniny mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitra ny arivo taona. Rehefa afaka izany dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia nazerany tao amin’ny lavaka tsy hita noanoa, ary nohidiany tao sy nasiany tombokase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony, mandra-pahatapitry ny arivo taona; fa rehefa afaka izany dia tsy maintsy hovahana kelikely indray izy aloha.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sy natsipiny tao amin’ny hantsambe. Dia nohidian’ilay anjely ny hantsambe ary nasiany tombokase teo amboniny, mba tsy hahazoan’ny dràgona mamitaka ireo firenena intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; fa tsy maintsy hovahana mandritra ny fotoana fohifohy izy aorian’izany.
Malagasy Bible 1865
dia nanipy ary ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanipy azy ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka nohidiny izany, dia nasiany tombo-kase teo amboniny mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitra ny arivo taona. Rehefa afaka izany dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy.
malagasy