Revelation 20:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nahita sezafiandrianana maro aho. Nisy nipetraka teo amboniny ary nomena fahefana hitsara izy ireo. Hitako koa ny fanahin’izay notapahin-doha noho ny fanambaràna an’i Jesosy sy ny tenin’Andriamanitra, ary izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan’ny bibidia na teo anoloan’ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin’ny handriny na ho eo amin’ny tanany. Velona indray izy ireo ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nahita seza fiandrianana maro aho, izay nipetrahan’olona nahazo fahefana hitsara, sy nahita ny fanahin’ireo notapahin-doha noho ny fanambaràn’ireo sy noho ny tenin’Andriamanitra mbamin’ny an’ireo tsy nivavaka tamin’ny Biby na tamin’ny sariny, sy tsy nandray ny mariny na tamin’ny handriny, na tamin’ny tanany, fa efa velona ireo ka niara-nanjaka arivo taona tamin’i Kristy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hitako nisy sezafiandrianana maro, izay nipetrahan’olona nomem-pahefana hitsara. Ary hitako ny fanahin’ireo notapahin-doha satria nitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona sy nitory ny tenin’Andriamanitra: tsy mba nivavaka tamin’ny biby na tamin’ny sarin’ny biby ireo, sady tsy mba nandray ny marik’ilay biby teo amin’ny handriny na teo amin’ny tanany; efa velona ireo ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona.
Malagasy Bible 1865
Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nahita sezafiandrianana maro aho. Nisy nipetraka teo amboniny ary nomena fahefana hitsara izy ireo. Hitako koa ny fanahin’izay notapahin-doha noho ny fanambaràna an’i Jesosy sy ny tenin’Andriamanitra, ary izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan’ny bibidia na teo anoloan’ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin’ny handriny na ho eo amin’ny tanany. Velona indray izy ireo ka niara-nanjaka tamin’i Kristy* arivo taona.
malagasy