Revelation 20:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany! Ireo dia tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka Aminy arivo taona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany! Tsy mba hanam-pahefana amin’izy ireo ny fahafatesana faharoa, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy i Kristy izy, ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sambatra sy masina izay manana anjara amin’izany fitsanganana voalohany izany; tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana ireo, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy ho mpisoron’i Kristy, ka hiara-manjaka amin’i Kristy arivo taona.
Malagasy Bible 1865
Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany! Ireo dia tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy* ireo ka hiara-manjaka Aminy arivo taona.
malagasy
Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.