Revelation 21:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tanàna dia efamira, koa mitovy ny lavany sy ny sakany. Nandrefy ny tanàna tamin’ny volotara izy ka roa arivo sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny haavony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa-joro ny tanàna, ary nitovy ny halavany sy ny sakany. Dia nandrefy ny tanàna tamin’ny volotarany izy, ka roa arivo sy iray alina stady, ary nitovy ny halavany sy ny sakany ary ny haavony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miendrika efamira ny tanàna, ka mitovy refy ny lafiny rehetra. Dia nandrefy ny tanàna tamin’ny volotara ilay anjely, ka samy 12 000 stàdy avy ny lafiny efatra sy ny haavony;
Malagasy Bible 1865
Ary ny tanàna dia efa-joro, ka mitovy ny lavany sy ny sakany; ary nandrefy ny tanàna tamin'ny volotara izy, ka roa arivo sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny hahavony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tanàna dia efamira, koa mitovy ny lavany sy ny sakany. Nandrefy ny tanàna tamin’ny volotara izy ka roa arivo sy iray alina stadio*. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny haavony.
malagasy
Ary ny tanàna dia efa-joro, ka mitovy ny lavany sy ny sakany; ary nandrefy ny tanàna tamin'ny volotara izy, ka roa arivo sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny hahavony.