Revelation 22:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay manao ny tsy marina dia aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; izay maloto dia aoka mbola haloto ihany izy, fa izay marina kosa dia aoka mbola hanao ny marina ihany izy ary izay masina dia aoka mbola hihamasina ihany izy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka ny olon-dratsy avelao hanao ratsy ihany; izay maloto avelao hihamaloto ihany. Fa ny olo-marina kosa, aoka hihamarina kokoa, ary ny efa masina aoka hihamasina kokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izay manao ny tsy rariny, aoka mbola hanao ny tsy rariny hatrany; ary izay ratsy toetra, aoka hiharatsy toetra hatrany. Izay tia rariny, aoka hanao ny rariny hatrany; ary izay masina, aoka hihamasina hatrany!
Malagasy Bible 1865
Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay manao ny tsy marina dia aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; izay maloto dia aoka mbola haloto ihany izy, fa izay marina kosa dia aoka mbola hanao ny marina ihany izy ary izay masina dia aoka mbola hihamasina ihany izy!
malagasy