Revelation 22:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny Fanahy sy ny ampakarina no miteny hoe: Avia! Aoka izay mandre hiteny hoe: Avia! Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety dia aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny Fanahy sy ny Ampakarina: Avia! Aoka izay nandre koa hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta, mbamin’izay maniry izany, ka hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny Fanahy Masina sy ny ampakarina hoe: «Avia!» Izay mahare, aoka hanao hoe: «Avia!» Izay mangetaheta, aoka ho avy; izay maniry ranovelona, aoka hanovo maimaimpoana amin’izany!
Malagasy Bible 1865
Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny Fanahy sy ny ampakarina no miteny hoe: Avia! Aoka izay mandre hiteny hoe: Avia! Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety dia aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.
malagasy
Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina.