Revelation 22:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin’ny mpaminany, no naniraka ny anjeliny haneho amin’ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga haingana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ilay Anjely tamiko: «Marina sy mahatoky ireo teny ireo; ary ny Tompo Andriamanitry ny fanahin’ny mpaminany no efa naniraka ny Anjeliny, mba hanambara amin’ny mpanompony ny zavatra rehetra tsy maintsy ho tonga faingana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ilay anjely tamiko: –Azo antoka sy marim-pototra ireo teny ireo! Ary ny Tompo Andriamanitra, Izay manentana ireo mpaminany, no efa naniraka ny anjeliny haneho amin’ireo mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin'ny mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin’ny mpaminany, no naniraka ny anjeliny haneho amin’ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga haingana.
malagasy
[Teny farany] Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin'ny mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.