Revelation 22:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izaho Jaona no nandre sy nahita ireo zavatra ireo. Rehefa nandre sy nahita aho dia niankohoka hivavaka teo anoloan’ny tongotr’ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izaho Joany no nahita sy nandre ireo zavatra ireo. Nony efa nahita sy nandre izany aho, dia nidaboka teo an-tongotr’ilay Anjely naneho izany tamiko, mba hiankohoka taminy:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho Jôhany no nahare sady nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sady nahita aho, dia niankohoka teo an-tongotr’ilay anjely mba hitsaoka azy,
Malagasy Bible 1865
Ary izaho Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan'ny tongotr'ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izaho Jaona no nandre sy nahita ireo zavatra ireo. Rehefa nandre sy nahita aho dia niankohoka hivavaka teo anoloan’ny tongotr’ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo.
malagasy
Ary izaho Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan'ny tongotr'ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo.