Revelation 3:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay mandresy dia havelako hiara-mipetraka Amiko eo ambonin’ny sezafiandrianako, tahaka ny nandreseko sy ny niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambonin’ny sezafiandrianany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay handresy dia hasaiko miara-mipetraka amiko eo amin’ny seza fiandrianako; toa Ahy nandresy koa, ka miara-mipetraka amin’ny Raiko, eo amin’ny seza fiandrianany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambony sezafiandrianako; dia tahaka ny nandreseko ihany koa sy niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambony sezafiandrianany.
Malagasy Bible 1865
Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay mandresy dia havelako hiara-mipetraka Amiko eo ambonin’ny sezafiandrianako, tahaka ny nandreseko sy ny niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambonin’ny sezafiandrianany.
malagasy
Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany.Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. [ Gr. eklesia]