Revelation 3:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay mandresy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa ary tsy hamono velively ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana Aho fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ny anjeliny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay handresy dia hampitafina lamba fotsy toy izany koa; ary tsy hamono ny anarany ao amin’ny bokin’ny fiainana Aho, fa hankalaza ny anarany eo anatrehan’ny Raiko, sy eo anatrehan’ny Anjeliny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izay maharesy dia hampiakanjoina akanjo fotsy toy izany koa; tsy hamono ny anarany ao amin’ny horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay Aho; ary hanaiky azy ho mpomba Ahy eo anatrehan’ny Raiko sy ny *anjeliny.
Malagasy Bible 1865
Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay mandresy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa ary tsy hamono velively ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana Aho fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ny anjeliny.
malagasy
Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.