Revelation 3:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny Fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain’Izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy misy mamoha:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Filadelfia: Izao no lazain’Ilay Masina, Ilay Marina, Ilay manana ny fanalahidin’i Davida, Ilay mamoha, tsy misy mahahidy, ary manidy, tsy misy mahavoha.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Filadelfia: «Izao no lazain’ilay Masina, ilay Mahatoky, Ilay manana ny fanalahidin’i Davida mpanjaka, Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy hisy hamoha.
Malagasy Bible 1865
Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain'izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny Fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain’Izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy misy mamoha:
malagasy
[Filadelfia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain'izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha: [ Gr. eklesia]