Revelation 3:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fantatro ny asanao; indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao ka tsy misy maharindrina azy; fa na dia kely aza ny herinao dia nitandrina ny teniko ianao ary tsy mba nandà ny anarako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fantatro ny asanao. Fa manan-kery kely ihany ianao, ka nitandrina ny teniko sy tsy nandà ny Anarako; koa indro, varavarana mivoha tsy misy mahahidy no nataoko teo anoloanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fantatro ny asanao. Indro eo anatrehanao efa nasiako varavarana mivoha tsy misy mahahidy; satria kely hery ianao, kanefa nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà Ahy.
Malagasy Bible 1865
Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fantatro ny asanao; indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao ka tsy misy maharindrina azy; fa na dia kely aza ny herinao dia nitandrina ny teniko ianao ary tsy mba nandà ny anarako.
malagasy
Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako. [ Na: fa na dia kely aza ny herinao, dia efa nitandrina, etc]