Revelation 3:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, alaiko ny sasany amin’ny sinagogan’i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy fa mandainga. Indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ny tongotrao ireo ka ho fantany fa Izaho dia tia anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro, atolotro anao ny sasany amin’ny sinagogan’i Satana, izay mihambo ho Jody, nefa tsy izy, fa mandainga; indro, hataoko tonga hiankohoka eo an-tongotrao izy ireo, dia ho fantany fa tia anao Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro atolotro anao ny sasany avy amin’ireo olona mivavaka amin’i Satàna: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao.
Malagasy Bible 1865
Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, alaiko ny sasany amin’ny sinagogan’i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy*, kanjo tsy izy fa mandainga. Indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ny tongotrao ireo ka ho fantany fa Izaho dia tia anao.
malagasy
Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao.