Revelation 4:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka izany dia hitako fa indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra, ary ilay feo izay efa reko tamin’ny voalohany dia tahaka ny an’ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy amin’izao manaraka izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Taorian’izany, dia hitako fa indro nisy varavarana mivoha teny an-danitra; ary ilay feo voalohany efa reko, toy ny an’ny trômpetra, dia niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao ny zavatra tsy maintsy ho avy any aoriana any.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany, dia indro hitako nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo tany am-boalohany, izay efa reko niteny tamiko tahaka ny feon-trompetra, no nanao tamiko hoe: –Miakara atỳ, dia hasehoko anao ny zavatra tsy maintsy ho avy manaraka.
Malagasy Bible 1865
Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa reko dia tahaka ny an'ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka izany dia hitako fa indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra, ary ilay feo izay efa reko tamin’ny voalohany dia tahaka ny an’ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy amin’izao manaraka izao.
malagasy
[Fideran'ny any an-danitra an'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra] Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa reko dia tahaka ny an'ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay.