Revelation 4:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia miankohoka eo anoloan’Izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana ny loholona efatra amby roapolo ka mivavaka amin’Izay velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ny sezafiandrianana sady miteny hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ireo Anti-dahy efatra amby roapolo kosa dia miankohoka eo anoloan’ilay mipetraka amin’ny seza fiandrianana koa, sy mitsaoka an’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ny seza fiandrianany, ka manao hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia miankohoka eo anoloan’Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana afovoany koa ireo loholona 24, mitsaoka ilay Velona mandrakizay mandrakizay sady manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ilay sezafiandrianana ka manao hoe:
Malagasy Bible 1865
dia hiankohoka eo anoloan'izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana ny loholona efatra amby roa-polo ka hivavaka amin'izay velona mandrakizay mandrakizay, dia hanipy ny satro-boninahiny eo anoloan'ny seza fiandrianana ka hanao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia miankohoka eo anoloan’Izay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana ny loholona efatra amby roapolo ka mivavaka amin’Izay velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ny sezafiandrianana sady miteny hoe:
malagasy
dia hiankohoka eo anoloan'izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana ny loholona efatra amby roa-polo ka hivavaka amin'izay velona mandrakizay mandrakizay, dia hanipy ny satro-boninahiny eo anoloan'ny seza fiandrianana ka hanao hoe:Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.