Revelation 4:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianao, Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra ary noho ny sitraponao no naha nisy sy naha ary azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray no mendrika handray ny haja amam-boninahitra ary fahefana, fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao ihany no nisiany sy naha-àry azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery. Fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, sady noho ny sitraponao no nisiany sy naha ary azy.»
Malagasy Bible 1865
Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ianao, Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra ary noho ny sitraponao no naha nisy sy naha ary azy.
malagasy
Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.