Revelation 4:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo anoloan’ny sezafiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato kristaly. Teo afovoan’ny sezafiandrianana sy manodidina azy dia nisy zavamananaina efatra feno maso avokoa teo anoloany sy teo ivohony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy toa ranomasina fitaratra miendri-kristaly teo anoloan’ilay seza fiandrianana, ary Zava-manana aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy an-damosiny no teo afovoany sy nanodidina azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo anoloan’ilay sezafiandrianana afovoany dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vatosoa kristaly. Namefy akaiky an’ilay sezafiandrianana afovoany isaky ny lafiny avy dia nisy zava-miaina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.
Malagasy Bible 1865
Ary teo anoloan'ny seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly; ary teo afovoan'ny seza fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-manan'aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teo anoloan’ny sezafiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato kristaly. Teo afovoan’ny sezafiandrianana sy manodidina azy dia nisy zavamananaina efatra feno maso avokoa teo anoloany sy teo ivohony.
malagasy