Revelation 4:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny zavamananaina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrany anatiny. Ary tsy mitsahatra andro aman’alina izy miteny hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Samy nanana elatra enina avy ireo Zava-manana aina efatra ireo, feno maso ny manodidina ny tenany sy ny tao anatiny, ary tsy nitsahatra izy ireo, fa nilaza andro aman’alina hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra, mahefa ny zavatra rehetra, izay taloha sy ankehitriny ary ho avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo zava-miaina efatra ireo dia samy manana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany manontolo teo ivelany sy tao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman’alina izy efatra manao hoe: «Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha Ilay taloha sy ankehitriny ary avy!»
Malagasy Bible 1865
Ary ny zava-manan'aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman'alina izy manao hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny zavamananaina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrany anatiny. Ary tsy mitsahatra andro aman’alina izy miteny hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy!
malagasy