Revelation 5:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitako fa indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voahidy mafy tamin’ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan’Ilay nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary indro, hitako teny an-tanana ankavanan’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana boky voasoratra tao anatiny sy teo ivelany, voaisy tombokase fito.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hitako nisy horonamboky teny an-tanana ankavanan’Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana; ka io horonamboky io dia voasoratra anatiny sy ivohony sady voaisy tombokase fito.
Malagasy Bible 1865
Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin'ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitako fa indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voahidy mafy tamin’ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan’Ilay nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianana.
malagasy
[Ny nandraisan'ny Mpanavotra ny boky izay nisy tombo-kase fito, sy ny hira natao ho fiderana Azy] Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin'ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.