Revelation 5:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny zavaboahary rehetra, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin’ny tany sy any ambanin’ny tany, na izay eny ambonin’ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny, dia reko samy niteny hoe: Ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny saotra, ny haja, ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary reko ny voaary rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ary any ambanin’ny tany, mbamin’izay any anaty ranomasina, sy ny zavatra rehetra ao anatin’ireo indray nilaza hoe: «Ho an’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny dera sy ny haja, ary ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay mandrakizay!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny voaary tontolo eny ana habakabaka sy etỳ an-tany ary any ambanin’ny tany sy any an-dranomasina, izany hoe ny zavatra rehetra ao anatin’ireo, dia reko samy nanao hoe: «An’Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana sy an’ny Zanakondry ny dera sy ny haja ary ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay!»
Malagasy Bible 1865
Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny zavaboahary rehetra, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin’ny tany sy any ambanin’ny tany, na izay eny ambonin’ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny, dia reko samy niteny hoe: Ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny saotra, ny haja, ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay!
malagasy
Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.Ary ny zava-manan'aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka. [ Gr. presbytera]