Revelation 5:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitako fa indro, teo afovoan’ny sezafiandrianana sy ny zavamananaina efatra ary teo afovoan’ny loholona dia nisy Zanak’ondry nitsangana tahaka ny efa voavono. Nanana tandroka fito sy maso fito Izy, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra nirahina hankany amin’ny tany rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hitako, fa indro, teo afovoan’ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra, sy teo afovoan’ireo Anti-dahy, dia nisy Zanak’ondry nitsangana, tahaka ny voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra nirahina any amin’ny tany rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hitako nisy Zanakondry nijoro teo anelanelan’ilay sezafiandrianana mbamin’ny zava-miaina efatra ankilany sy ireo loholona an-daniny. Tahaka ny efa voavono ho faty io Zanakondry io, ary nanana tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy Masina ombàm-panomezana fito avy amin’Andriamanitra, Izay efa nirahina hankany amin’ny tany tontolo.
Malagasy Bible 1865
Ary hitako fa, indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina efatra ary teo afovoan'ny loholona dia nisy Zanak'ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina hankany amin'ny tany rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitako fa indro, teo afovoan’ny sezafiandrianana sy ny zavamananaina efatra ary teo afovoan’ny loholona dia nisy Zanak’ondry nitsangana tahaka ny efa voavono. Nanana tandroka fito sy maso fito Izy, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra nirahina hankany amin’ny tany rehetra.
malagasy
Ary hitako fa, indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina efatra ary teo afovoan'ny loholona dia nisy Zanak'ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina hankany amin'ny tany rehetra. [ Gr. presbytera]