Revelation 5:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nandray ny boky Izy dia niankohoka teo anatrehan’ny Zanak’ondry ny zavamananaina efatra sy ny loholona efatra amby roapolo, ary samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia ny vavaka ataon’ny olona masina izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nandray ny boky Izy; dia niankohoka teo anoloan’ny Zanak’ondry ny Zava-manana aina efatra sy ny Anti-dahy efatra amby roapolo, izay samy nanana lokanga sy lovia volamena feno zava-manitra, dia ny fivavahan’ny olo-masina izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nandray ny horonamboky Izy, dia niankohoka teo anoloan’ny Zanakondry ny zava-miaina efatra sy ny loholona 24. Samy nanana lokanga anankiray avy ny loholona ary koa lovia volamena feno vovo-javamanitra, dia ireo lovia tandindon’ny vavaka ataon’ny vahoakan’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nandray ny boky Izy dia niankohoka teo anatrehan’ny Zanak’ondry ny zavamananaina efatra sy ny loholona efatra amby roapolo, ary samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia ny vavaka ataon’ny olona masina izany.
malagasy
Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany. [ Gr. presbytera]