Revelation 5:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nihira tononkira vaovao izy hoe: Ianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; satria voavono Ianao, ary ny ranao no nanavotanao olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra, ny samihafa fiteny, ny olona ary ny firenena rehetra, ho an’Andriamanitra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nanao hira vaovao izy ireo nanao hoe: «Ianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombokaseny. Fa voavono Ianao, ka ny Ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, mbamin’ny fanjakana sy ny firenena rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nandredona hira vaovao ho an’ny Zanakondry ny loholona ka nanao hoe: «Ianao no mendrika handray ny horonamboky sy hamaha ny tombokaseny. Efa voavono ho faty Ianao, ka ny ranao nafoinao no nanavotanao olona ho an’Andriamanitra, dia olona avy tamin’ny foko amam-piteny samy hafa sy avy tamin’ny vahoaka amam-pirenena samy hafa.
Malagasy Bible 1865
Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nihira tononkira vaovao izy hoe: Ianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; satria voavono Ianao, ary ny ranao no nanavotanao olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra, ny samihafa fiteny, ny olona ary ny firenena rehetra, ho an’Andriamanitra;
malagasy