Revelation 6:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nijery aho, rehefa novahan’ny Zanak’ondry ny iray tamin’ny tombo-kase fito, ary reko ny iray tamin’ny zavamananaina efatra niteny tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana hoe: Avia!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hitako fa nosokafan’ny Zanak’ondry ny iray tamin’ny tombokase fito; ka reko niteny toy ny kotro-baratra ny iray amin’ny Zava-manana aina efatra, nanao hoe: «Avia hijery.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary izao no hitako. Rehefa novahan’ny Zanakondry ny voalohany tamin’ireo tombokase fito, dia reko niteny mafy toy ny kotro-baratra ny anankiray tamin’ny zava-miaina efatra, nanao hoe: Avia!
Malagasy Bible 1865
Ary nahita aho, rehefa novahan'ny Zanak'ondry ny anankiray tamin'ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nijery aho, rehefa novahan’ny Zanak’ondry ny iray tamin’ny tombo-kase fito, ary reko ny iray tamin’ny zavamananaina efatra niteny tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana hoe: Avia!
malagasy
[Ny namahana ny tombo-kase enina] Ary nahita aho, rehefa novahan'ny Zanak'ondry ny anankiray tamin'ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia. [ Ampio hoe: (ka izahao)]