Revelation 6:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitra ny mpanompo namany sy ny rahalahiny izay hovonoina tahaka azy koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nomena akanjo fotsy iray avy izy ireo, sy nasaina niandry kely aloha mandra-pahafenon’ny isan’ny mpanompo namany sy ny havany, izay hovonoina toa azy koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina mbola niala sasatra fotoana fohy mandra-pahafeno ny isan’ireo mpanompo namany sy ireo havana iray finoana, izay efa hovonoina tahaka azy koa.
Malagasy Bible 1865
Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitra ny mpanompo namany sy ny rahalahiny izay hovonoina tahaka azy koa.
malagasy
Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.