Revelation 6:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitako, fa rehefa novahany ny tombo-kase fahenina dia nisy horohoron-tany mafy; tonga mainty tahaka ny lamba volon’osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny ra avokoa ny volana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nosokafany ny tombokase fahenina, dia hitako, fa indro nisy horohoron-tany mafy, ary ny masoandro tonga mainty toy ny akanjo malailay volom-biby; ny volana manontolo nanjary toy ny ra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nijery aho rehefa novahan’ny Zanakondry ny tombokase fahenina, ka nisy horohorontany mahery vaika; tonga mainty tahaka ny akanjo volon’osy ny masoandro; tonga mena tahaka ny ra ny volana manontolo;
Malagasy Bible 1865
Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon'osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny rà avokoa ny volana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitako, fa rehefa novahany ny tombo-kase fahenina dia nisy horohoron-tany mafy; tonga mainty tahaka ny lamba volon’osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny ra avokoa ny volana.
malagasy
Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon'osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny rà avokoa ny volana.