Revelation 6:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy izy tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy: Mianjerà aminay ka afeno izahay amin’ny tavan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary nilaza tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy hoe: «Mianjerà aminay, ka afeno amin’ny Tavan’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry izahay;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nilaza tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy hoe: «Ianjerao izahay ary afeno lavitry ny tavan’Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana sy lavitry ny hatezeran ’ny Zanakondry;
Malagasy Bible 1865
ary hoy izy tamin'ny tendrombohitra sy ny vatolampy; Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin'ny tavan'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy amin'ny fahatezeran'ny Zanak'ondry;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy izy tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy: Mianjerà aminay ka afeno izahay amin’ny tavan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry;
malagasy
ary hoy izy tamin'ny tendrombohitra sy ny vatolampy; Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin'ny tavan'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy amin'ny fahatezeran'ny Zanak'ondry;fa tonga ny andro lehiben'ny fahatezeran'ireo, ka iza no mahajanona? [ Na: ny fahatezerany]