Revelation 6:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitako fa indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran’izay nitaingina azy atao hoe Fahafatesana, ary ny fitoeran’ny maty no niaraka taminy. Nomena fahefana tamin’ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin’ny sabatra, ny mosary, ny areti-mandringana ary ny bibidia etỳ an-tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly hatsatra, ary ilay nitaingina azy dia atao hoe i Fahafatesana, sady nanaraka azy ny Fonenan’ny maty. Nomena fahefana amin’ny ampahefatry ny tany izy ireo, hamono amin’ny mosary aman-tsabatra, sy amin’ny fahafatesana mbamin’ny biby masiaka etỳ an-tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia indro hitako nisy soavaly hatsatra; ary ilay nitaingina azy dia natao hoe Rafahafatesana izay niaraka tamin’ny Toeran’ny maty. Nomena fahefana tamin’ny ampahefatry ny tany izy ireo, hamono amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mifindra sy ny bibidia etỳ an-tany.
Malagasy Bible 1865
Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran'izay nitaingina ary atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin'ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin'ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia etỳ an-tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitako fa indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran’izay nitaingina azy atao hoe Fahafatesana, ary ny fitoeran’ny maty* no niaraka taminy. Nomena fahefana tamin’ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin’ny sabatra, ny mosary, ny areti-mandringana ary ny bibidia etỳ an-tany.
malagasy
Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran'izay nitaingina ary atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin'ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin'ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia etỳ an-tany. [ Gr. Hadesy]