Revelation 7:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka izany dia hitako fa indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin’ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin’ny tany, mba tsy hisy rivotra hitsoka amin’ny tany, na amin’ny ranomasina, na amin’ny hazo akory aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Taorian’izany, nahita Anjely efatra aho, nitsangana tamin’ny vazantany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin’ny tany mba tsy hisy rivotra hitsoka, na amin’ny tany, na amin’ny ranomasina, na amin’ny hazo iray akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany, dia hitako nisy anjely efatra nijoro teo amin’ny vazan-tany efatra sady nihazona ny rivotra efatra amin’ny tany mba tsy hisy rivotra hitsoka na amin’ny tany, na amin’ny ranomasina, na amin’ny hazo iray akory aza.
Malagasy Bible 1865
Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin'ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo akory aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka izany dia hitako fa indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin’ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin’ny tany, mba tsy hisy rivotra hitsoka amin’ny tany, na amin’ny ranomasina, na amin’ny hazo akory aza.
malagasy
[Ny niarovana ny Isiraely marina mba tsy hosimban'ny loza ho avy, sy ny fahasambaran'ny tonga any an-danitra ka afaka amin'ny fahoriana lehibe] Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin'ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo akory aza.